Ny 3dSmax

Ny 3dSmax dia Logiciel anakiray izay antsoin'ny vahiny hoe Logiciel d'image de synthèse izay ahafahana mikirakira ny resaka 3d...

Tsy hitantara ny tantaran'izany logiciel izany angamba isika fa ndeha ny zavatra azo atao aminy no holazaina...

Ireto avy àry ny zavatra ilàna izany 3dSmax izany:

- Ny resaka famoronana objet 3d rehetra araka izay ilaina (oh: fanaka, voninkazo, hazo, trano, olona, biby, fiara, sns...)

- Ny fanaingoana izany objet izany (izany hoe ny resaka textures sy ny lumières sy ny habillages no tiana ambara)

- Ny fanetsehana ireo objet ireo (resaka animation)

- Ny famoahana azy ho lasa vidéo azon'ny olona rehetra jerena (izany hoe ny rendu)

Ary betsaka ihany koa ny sehatra ilàna izany 3dSmax izany fa tsy ho àry voatanisa eto avokoa fa rehefa hainao io Logiciel io dia ianao ihany dia efa afaka mamaritra hoe inona avy no zavatra azo atao amin'izany.